Vakio miaraka amin'i Akili - Toerana Maro Be!

Vakio miaraka amin'i Akili - Toerana Maro Be!

Miaràha amin’i Akili, izy mitsidika toerana maro samihafa ka ahafantarany!

App Report, Market and Ranking Data
publisher
category
price
Free
Reviews
0 (0)
United States United States
Description
Miaràha amin’i Akili, izy mitsidika toerana maro samihafa ka ahafantarany!
TOERANA MARO BE

Miaràha amin’i Akili na andro na alina, izy mitsidika toerana maro samihafa ka ahafantarany fa feno zavatra mahafinaritra izao tontolo izao!

Ho aiza i Akili avy eo? Anaty ala? Ambony sambo? Any an-trano? IANAO no misafidy miaraka amin’ity bokim-pifandraisana ity. Aza adino misavaona ny vorona, mampilalao ny rajako ary ny fifaninanana sambo eny an-dàlana!

Manomboka eny ambony rahona hatrany amin’ny ranomasina mamirapiratra, safoy izao tontolo izao miaraka amin’ny ity tantara mampihetsi-po ity.

FANDAHARAM-POTOANA

* MAMAKY amin’ny alàlan’ny lentam-pahasarotana
* MANDINIKA teny, sary ary hevitra amin’ny alàlan’ny endri-javatra mifandray
* MIHAINO tantara feno sy fomba fiteny
*MISAFIDY ny toerana alehan’i Akili manaraka—Ianao no manao ny tantara
* AKILI no mitantara azy hatramin’ny farany
* MAZOTOA mianatra mamaky


MAIMAIM-POANA, TSY MISY DOKAMBAROTRA, TSISY VAROTRA AN-KERY!
Maimaim-poana ny atiny rehetra, noforonin’ny Curious Learning sy Ubongo..


NY FANDAHARAM-POTOANA AMIN’NY FAHITA LAVITRA – AKILI AND ME

Akili and Me dia kilalaon-tsaina amin’ny alàlan’ny sarimihetsika, noforonin’ny Ubongo, mpamorona ny Ubongo kids sy Izaho sy Akili – fampianarana mahafinaritra vita tao Afrika, hoan’ny Afrika.
4 taona i Akili, ary mipetraka miaraka amin’ny fianakaviany izy eny am-pototry ny tendrimbohitra Kilimanjaro, ao Tanzania. Manana tsiambaratelo izy: rehefa tafatory izy amin’ny alina dia miditra ao amin’ilay tanàna mahagaga antsoina oe Lala Land, toerana hianarany sy ny biby namany, momba ny fiteny, litera sy isa ary zava-kanto, sady manatsara toetra no mifehy ny fihetsem-pony ary manova malaky ny fiainan’ny ankizy! Miaraka amin’ny fampielezana manerana firenena dimy, ary fanarahana azy mavitribitrika amin’ny aterineto, tian’ny ankizy maneran-tany mihitsy ny fianarana majika miaraka amin’i Akili!

Jereo ny horonan-tsary Akili and Me amin’ny aterineto ary tsidio ny tranonkala www.ubongo.org raha mandeha amin’ny firenenao ny fampianarana.


MOMBA NY UBONGO

Ubongo dia orinasa sosialy mamorona kilalaon-tsaina mampiasa ny teknolojia efa misy, hoan’ny ankizy ao Afrika. Manentana ny ankizy hianatra sy hitia fianarana!

Manandratra avo ny herin’ny fialam-boly, ny fihitaran’ny haino aman-jery ary ny teknolojian’ny finday hanomezana fampianarana sy fanabeazana avo lenta.


MOMBA NY CURIOUS LEARNING

Curious Learning dia orinasa tsy mitady tombony, nitokana hampianatra hamaky teny sy hanoratra hoan’ireo olona te hianatra. Vondrona mpikaroka, mpamokatra ary mpanabe izahay, nitolo-tena hampianatra ankizy amin’ny fitenin-drazany maneran-tany amin’ny alàlan’ny porofo mivaingana sy antontan’isa voamarina.

MOMBA NY APPLI

Vakio miaraka amin'i Akili - Toerana Maro Be! Dia noforonin’ny sehatry ny Curious Reader, novokarin’ny Curious Learning hananganana traikefa famakiana manaitra sy mahaliana.
Category Ranking
Not enough information to display the data.
Review Breakdown
Not enough information to display the data.
Screenshots
Download & Revenue
DOWNLOAD N/AApr 2024Worldwide
REVENUEN/AApr 2024Worldwide
download revenue
About
Bundle Id
co.akiliandme.curiousreader.differentplaces_malagasy
Min Os. Version
Varies with device
Release Date
Thu, Jan 1, 1970
Update Date
Thu, Mar 31, 2022
Content Rating
Everyone
What's New
version
1648768390000
updated
2 years ago
Updating for new Google policies and for newer device compatibility.
Newsletter

Subscribe our newsletter and get useful information every week.

Stay Ahead of the Market with StoreSpy
Never miss opportunities
Watch your competitors closely
Start boosting your app right away
Start Now
stay a head